Sigara (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ny sigara, mihoatra noho ny vady
Tsy reraka aho mitady, izay "tige" mba ho anjara.

Tiako ny sigara, anivon-drantsan-tànako
Manoatra noho ny zanako: mahay mikarakara.

Tiako ny sigara, mihoatra izay sakafo
Vidiako na dia lafo, na ratsy koa na tsara.

Tiako ny sigara, fa izy tena ilaina
Hofohiko maraina, vao miala farafara.

Tiako ny sigara mipololotra setroka
Fa isehoako ho ngetroka maharaka tantara.

Tiako ny sigara, raha tsy ampy ny aty amiko
Tsy menatra aho: indramiko, ireo izay tia mizara.

Tiako ny sigara, tsy andevony aho na babo
fa izy no mpitsabo ny aretin-tsain-tsy ambara.

Ary aza tia mitsara, na koa mandevilevy
Avia mba hiara hirevy, hiara-hitia sigara.

DotMG, 26 aogositra 2013
--------
Rohy:
1279 0
Hevitra mandeha
rold ( 03/09/2013 07:46)
Atsaharo fa mahafaty
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104