Tolona mitanjaka (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ilay fitarainana
Napololotran-driako
Dia reko soamantsara

Nalefako fisainana,
Ka saika hovaliako
Fa tsy hita izay hambara.

Indria izao mihivingivina
Miraikitra môtera
Toa Izaho no omena tsiny;

K'aleo hampahatsiahivina
Ilay resatsika ela
Ilay mbola virijiny.

Tsarovy fa taloha
Ilay hatakao bontolo
Sy faniriana lalina

Hiraina vao mifoha
sy ny andro manontolo
Eny, mandrak'alina :

Nirinao ho tanteraka
Ho silaka fanahy
Izay tena ramatanjaka,

Dia izay tsy mety reraka
Fa vonona sy sahy
Raha tolona mitanjaka;

Ilay mazoto miainga
maharitra miletra
sy tia manaikikaikitra ...

Ka sarotra ny lainga
Fa tsy afaka Aho hitsetra
Raha toa indria hiala andraikitra.

DotMG
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy - Malalaka - Fitiavana
1204 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016