Zanako malalako (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona moa izay ialahy maintimainty?
Mora fitahina, andairan'ny fainty
Rehefa zanahiko ialahy dia manaiky
Mandray ahy ho reny na havana akaiky.

Inona moa izay ialahy tsy ampy baoritra
Zaza kanosa, jereo : misapaoritra
Tsy ampy fahaizana ho entina miady
Treromina kely dia resy sahady

Inona moa izay ialahy : zaza gena
Tsy mba sahy midrikina, mangenahena
Fa zaran'ialahy aza ialahy ambakaina
Dia resy tsy miady, toa voageja saina.

Ireo lova navelan'ny dadan'ialahy isany
Harena mitentina efa an-tapitrisany
Anjakazakako, tavaniko hatrany
Fa ialahy toa tsy mila ary tsy manontany.

Inona ialahy moa izay tsy ampy solaitra
Valalabemandry, rahoviana no ho taitra?
Tsy misy atahorana ialahy fa sanàna
Vahiny toa ahy fa tsy tompon-tanàna.

Dia mihisakisaha hambotriako ny harena
Handavadavahiko ity firenena!
Aza helingelenina re izato lakako
F'ampio aho hamotika ireo izay tsy zakako.

Dia aza mba sainina izay hoe hitroatra
Na ny hitaraina fa hoe tafahoatra ...
Omeo fanajana aho r'ilay zaza adala
Antsoy am-pitiavana ho Reny malala.

DotMG, 28 jolay 2013
Douala
--------
Rohy:
1933 0
Hevitra mandeha
nannie ( 31/07/2013 14:03)
kay ! maharary izany !
raozigasy ( 31/07/2013 16:52)
Renimalala sy reny tiana
Mikaikitra toy ilay amboakely
Nofy2 ( 12/08/2013 08:42)
enjan b zan!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167