You are here: home > Vetso

Mbola misy - Elie Rajaonarison

Eny,
ekeko izany,
kanefa mbola misy
mbola misy hira
tsy novetsoinareo
mbola misy kalo
mbola misy teny
nohadinoinareo.

angamba... anjaranay ?

fa mbola misy hira
mba satrinay hainoina
mbola misy kalo
mba tianay ho kaloina
mbola misy teny
irinay hivetsoana
"ireny rehetra ireny"
nataonareo amboara

anaovana azafady
fa satrinay hangina
kanefa mbola misy
angola nampirimina
maniry mba ho fohazina
koa mamela anay
...

[8 oktobra 1979]

Sokajy : fiainana, fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : Elie Rajaonarison


Nampiditra : ikalamako
Daty : 02/07/2020
Mpamangy : 439
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MihirĂ  ry tendrombohitra
Fo ! Fo ! Fo !
Hiteny aho, hiteny.
Redy rovitra
Namana!
Hetraketraka