Midina mora (Elie Rajaonarison)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Midina mora mameno ny saiko
ny fahatsiarovana
manafosafo ny sandriko izy
rakofan'alin-kelin'ny làlana niarahana
ary te hamihina ahy ny eritreritrao
saingy voasingotra ny lambany
Tampotampoka teo
vonton'ando ny maso
vonton'ando ny fo
Ando feno Aina

Midina mora
mameno
ny Misy
manaikitraikitra ny atifanahy ...
hiresaka amiko ve ny fahiny ?
efa mivelatra ny ahi-maitso itoeranay
saingy nihintsana ny tohom-baliha
niparasaka tampoka ny Fahiny
niparasaka
tsy nahy
nahoana ?
Ary hadinoko sahady ny lasa ...
adinoko sahady.
--------
Rohy:
209 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Elie Rajaonarison
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/11/2023 09:36
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147