You are here: home > Vetso

Redy rovitra - Elie Rajaonarison

REDY ROVITRA

fantatrao ny fahalemeko
fantatrao fa … ho inonao
ny Lanitra iny nofefeko
ho kianja fihasinanao



fantatrao ! fa ho inonao
fantatrao ny firedeko
fantatrao fa … ho anao
ny Tontolo efa nekeko
ho kilalao an-tananao



fantatrao … fa ho anao !
mitosaka mangina ny Alina
eo imasonao ny angola
maninteraka Fanahy

miposaka mangina ny Alina
satry foana hijery anao
Fitiavana natao ho ahy

fantatrao ny fahalemeko
fantatrao … Fitia adala
miredaka tsy hay fefeko
tato am-poko namanala

fantatrao … adinonao

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Elie Rajaonarison


Nampiditra : ikalamako
Daty : 10/06/2020
Mpamangy : 210
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Mihirà ry tendrombohitra
Fo ! Fo ! Fo !
Mbola misy
Hiteny aho, hiteny.
Namana!
Hetraketraka