You are here: home > Vetso

Fo ! Fo ! Fo ! - Elie Rajaonarison


Fo!  Fo! Fo!
e! e! e!
Fa ny fiainana hono mandalo
Ny fahafatesana indray monja ihany
Fa ny kanto zareo no mitoetra
Fa ny kanto e
      ... tsy mba manam-petra !

Fa rehefa voazara ny kalo
Dia hifarana hatreo ny tomany
Ka ho sambatra isika rehetra
Fa ny kanto e
      ... tsy mba manam-petra !

Sokajy : fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : Elie Rajaonarison


Nampiditra : ikalamako
Daty : 02/07/2020
Mpamangy : 472
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MihirĂ  ry tendrombohitra
Mbola misy
Hiteny aho, hiteny.
Redy rovitra
Namana!
Hetraketraka