Mihirà ry tendrombohitra (Elie Rajaonarison)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekena fa mahery ny tosiky ny jaly
Mila hampiteny ny moana
Ekena fa ny angolan'ny sento mifamaly
No mameno ny fotoana
Sy ny isanandro iainana
!...
Ekena daholo izany...
Fa eo am-perin'adin'ny isanandro indrindra
No miakatra ny Antsan'ny tsy manaiky resy
Antsa nongononin'ny Razana any Ankoatra
Entanin'ny Fitiavana ka indro fa miloatra
Mananika an-tehezan'ilay Ampamarinana
Tsy manaiky hivarina
Mihoitra ny ho tafarina
Hanenika ny Lanitra
Antsa ho redonin'ny Lemaka sy Havoana
Hametraka tandindona tsy lefin'ny Fotoana

Mangidy raha mangidy ny ketok'hanoanana
Manaitra anao maraina
Tsy mampatory ny alina
Mangidy raha mangidy ny vidin-katsembohana
Tsy hitanao akory
Toa lany tsy nalaina
Fa ritra notrosaina
!...

Fa mafy noho izany
Ny tsy afaka mitraka fa resin'ny taraina
Ny tsy afaka manofy fa ngoly - savolaina
Ny tsy manaiky hiombona fa teritery saina

Mangidy daholo izany!
Fa eo am-perin-gidin'ny isanandro maizina
No misy Hazavana
No misy Fifaliana
Mitosaka mandresy ny afero tsy azo laizina

Dia miakatra maredona ny Antsan'ireo vonona
Handresy ny isanandro
Hametaka ny tarany ho lovan'ny Tantara
...
Mihirà ry Tendrombohitra
Fa kanto noho ny kanto
Misandratra tsy miato tsy mety resy an'ady
Ilay Madagasikara!


15 Aogositra 1990
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - fiainana
986 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Elie Rajaonarison
Nampiditra : ikalamako
Daty : 20/09/2020 10:46
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147