Hiteny aho, hiteny. (Elie Rajaonarison)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hiteny aho, hiteny
fa eny rehetra eny
toloko-mena fify, miafitr’eny imason’
ny zaza tsisy reny
fa eny rehetra eny
mangidy tora-jofo misosok’eny an-koditry
ny zana-drenireny
mangidy mialin’andro
tsihifiny isan’andro
fa tsy mba mety ritra…

hiteny aho, hiteny…
tsy miaina izany ianao
mangidy maizin’andro
mihantona eo am-bozon’
ny olona voaozona
tsy miaina izany ianao
mangovitra isan’andro
mifezaka isan’ora
sao voan’ny taingim-bozona
atelin’ireo trozona

tsy hiaina izany ianao
tsy hiaina izany mihitsy
mangina mahamanina ny ao an-tranonao
madio no sady manitra
kanto sy milamina
voatemotra hira faly mandrotsy nofy mihanoka
ny lalam-piainanao

dia tsy henonao akory ny hiaka am-perin’adin’
ny zaza menavava
nateraka hijaly
dia tsy henonao mihitsy ny sentom-pitrapitran’
ny zana-dravahoaka
resy tsy afa-niady…
tsy henonao fa reko
hodianao mody fanina
k’izany no hitenenako…
sao aho… mba henonao
--------
Rohy:
1130 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Elie Rajaonarison
Nampiditra : ikalamako
Daty : 10/06/2020 16:43
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149