Antsa (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antsa

Ilay antsanao voaloha,mbola tao anaty eritreritra;
Tsy nisy naheno,fa doboky ny fo;
Nokaloinao moramora,nataonao vetsovetso,
Tao anatinao mangina.
Norakofanao tsiky,mba ho kantokanto;
Avy eo dia,noredininao tamin'ilay feonao nilanto;
Dia gaga izay nahita,ilay endrikao sariaka;
Toa miramiran-tava,ary be mpitsiriritra.

Izany ilay antsanao voalohany!
Na dia maro mpanakora aza... tsy mbola nisy nandre;
Toa falifaly ianao,miantsa ilay andalany;
Hoe"izany angaha?... ilay hoe kanto va re!

Fo'ny ankehitriny,nentinao novetsoina;
Naparitakao,natsainao teny ho eny;
Naverinao indray,ilay antsanao ombeny;
Nataonao kilalao,ka tena nikaloina.
--------
Rohy:
734 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153