Any ho any... (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY HO ANY...
Any ho any misy olona
Mety tena tia anao
Afaka hamafa ireo olana
Izay mahakivy anao toy izao

Any ho any misy tsiky
Afaka hamafa ranomaso
Fa nahoana ianao no hiafy
Hianoka,hirifirin'ny ankaso.

Any ho any misy fifaliana
Afaka haha-miran-tava anao
Ka hameno fitsikiana
Mandrak'izao androany izao.

Any ho any misy toerana;
Fikaloan'ireo mpikalo;
Iray minitra dia miserana
Fa efa vovon'ireo mpandalo.

Any ho any misy toko
Fivetsoan'ny tontolo
Toa mirindra fa tsy toloko;
Fa efa kanto manontolo

Any ho any misy rindrina
Fiventesan'eritreritra
Raha toa ianao sondrina
Dia mivetsoa fotsiny fa aza mierotra.
Maharavo.A
--------
Rohy:
754 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144