Fony isika (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony isika niara-nianatra;
nifampitazana,nifampitsiky;
Toy ny kilalao,ankamantatra;
Lay fony aho nitampify!

Fony ianao nitazana ahy;
variana,sanganehina ny foko,
Te hiteny,hanambara ho azy!
hoe ianao ilay tena tiako!!

Fony taty aoriana anefa,
Toa tsy tandriko intsony,
Fa hay kay kilalao;
lay fitia saika omeko anao!

Dia nilaozanao niova hafa;
Fa nahita ny tsara kokoa;
Fa ny aty noa mba ho aiza?
Aleo hitampify,hiandry ny soa!

Dia teo aho,nitsiriritra,nangahiahy;
Fa hay kay ianao tsy natao ho ahy!
Fa ho azy indray izao;
lay fonao.izay lasa nandao!!!
--------
Rohy:
825 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149