Hirahira (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hirahira

Ireny kalokalo,hirahira fahazaza!
Ilay noheverin'ny saina,fa tena mba nalaza;
No tiako mba hitamberina,izao anio izao;
Fa be ny esoeso,mandrotsirotsy,mitalao.
Iny ilay hira vetsovetso,mampientaentam-po!
Ilay sarisari-teny,Nokaloiko,mba hovetsointsika roa;
Rehefa mba tanora ny saina sy ny fo.
Ilay kalokalo,noventesina fahakely!
Hatramin'iny mantsy,efa vita tsianjery;
Efa niraikitra ao am-po,mifikotra ao an-tsaina;
Izany ve ilay hoe"vetsovetso,mahalefy ny taraina"?
Iny ilay vazovazo,natao tsiaron'ny lasa;
Fa amin'izao fotoana izao,mifanjevo indray ireo kasa!
Ka hiezaka indray e!...hihirahira ny taon-k'ho avy;
Fa ny fiainan'hono izao,efa matetika ho favy.
Amin'izao ankehitriny izao,ilay kalokalonay fahiny;
Efa niov'ho rian-kalo,tao koa ny tononkalo;
Maro be ny mpitsiriritra,te mba haka fihiny,
Sy hiantsa azy ireny,hitoriana fitia amin'ny tiany.
Kanefa...
Raha ny tiako anie,izao anio izao;
Dia antsaiko aminao indray,ireny hira fahazaza;
Ambarako tsy miafina,sy aposako eto indray;
Hoe"iny ho'aho ilay kalo,nokaloina,nihirahiraina;
Tamin'izany fahakely,ka iriako mba ho adino,tsy ho rava.
--------
Rohy:
942 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152