You are here: home > Vetso

Ireny kalokalo - Rary Nofy

Azo vakiana?

   IRENY KALOKALO
Ilay kalokalontsika roa
Teo ivelan'ny natiora
Dia naraikitro ihany koa...
Tao anatin'ilay fakitiora.
     Ilay tafatafantsika sy ianao
     Tao anaty eritreritra;
     Mahatonga ahy hitsiriritra;
     Hitia,hitia,hitia ny tenanao.
Ireny vetsovetsoko ireny
Izay fikalonao matetika
Dia hiriako ombeny ombeny
Hampitsiky anao,na dia vetika.
      Ilay asa soratra nosoratantsika roa
      Noraketiko an-taratasy;
      Nohirahiraiko,nohantsaiko tao ihany koa
      Satria,asa soratra tena malagasy.
Ilay mari-pifandraisantsika;
Ny kalo,ny vetso,ny vinavina;
Dia voavolavola,mba ho fantsika
Hampifandray ny tia sy ny tina.
               Maharavo.A  16.05.2017
              à Ankadikely-ilafy