Kanto (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kanto

Kanto no ataoko anaranao satria...
Ny paozipaozinao,ny fianjaikinao dia toa milantolanto;
Rehefa injay mibanjina anao,ny masoko ankiroa,
Dia toa variana sy talanjona.
Niniako nantsoina,ny anaranao hoe"kanto"
Dia indro fa,nitodika,nitazatazana sy nibanjina'
Ity tontolonao,izay tena mahatalanjona.

Kantokanto,miramirana,toa ravoravo endrika;
No nahitako anao,fo'ny mbola tsy haiko akory!
Novetsoiko tao anatin'ilay kisendrasendra;
Hoe"Kanto!,Kanto no ataoko anaranao,raha sendra ianao mba itako.

Raha vao nahita anao,dia toa mangina indray;
Tsy nahitàna teny,vahobahotra ny fo!
Te hiantso anao indray hoe"Kanto";
Satria ianao ilay vetso,tao anatiko hatrizay.

Raha noariko tamin'izao tontolo izao ianao!
Dia tena mitovy,fa tsy mba sahala;
Maro koa mantsy,ireo toa anao ka...
Noventesiko mangina,tao anaty foko tao.
Tena kanto e! ny manodidina ahy;
Ka nokaloiko moramora,tsy nasiako ahiahy;
Avy eo dia,noraketiko an-taratasy izato hakantonao;
Izay no nahatonga ny hoe"Kanto no ataoko anaranao!.
--------
Rohy:
841 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143