Rehefa (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA...
Rehefa reraka ny saina;
Mivezivezy ny fanahy;
Ka tsy tâna ilay taraina
Fa miteraka tsiahy.

Rehefa vizana ny vatana:
Ka torovan-drovana ny fo;
Toa te hanoratra ny tanana;
Handrakitra ireo nofy efa lo.

Rehefa malomaloka ny andro;
Efa ho dify ilay masondro.
Mitamberina indray ireo fahiny
Ireo fiainany niainany tamin'izany.

Rehefa mahatsiaro ny lasa;
Miheboebo ireo aingam-panahy
Ilay embona mampifanjohy;
No reako mikoriana misasasasa.

Rehefa manembona anao;
Toa henoko mitrahotraho ny ao anaty ao;
Mangoraka,toa mihakohako;
Izany foko,saiko sy fanahiko.
Maharavo.A
--------
Rohy:
629 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151