You are here: home > Vetso

ADIDY - fenohasimpitia

Azo vakiana?

    ADIDY

Fony fahazaza
Teo an'ilan-dRay sy Reny
Na haizina na mazava
Tsy natahorantsika ireny
      
     Mahatsiaro sambatra ny zaza
     Raha i Dada no iarahana
     Fa na lalandratsy sy mideza aza
     Toa vetivety dia voasahana

          Fa i Neny koa anefa
          Tsy latsa-danja @zany
          Fa na iantsena, na hatsaka
          Dia babeny hatrany hatrany

     Ao ny zoky, tsy manary
     N'aiza n'aiza no alehany
     Fa vao avy mihinam-bary
     Dia ianao no sakelehany

Vao mirava an-tsekoly
Dia ianao no ao an-doha
Ny kilalao sy fialam-boly
Toa saika boboka sy lo

          Misaotra anao ry Dada sy Neny,
          'Reo zoky koa tsy hadinoina
          Fa noho ireny fandava-tena ireny
          Dia tsy haiko hovonoina

     F'ilay Nahary, ao Ambony ao
     Izay mahita atsika ety
     Izy anie, homba anao
     Mandrakizay doria!



Ra-Fen's

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

andry 1000 (08/04/2015 03:42:35)

tsara leroa ...

hjravs (18/04/2015 05:27:16)

mahafinaritra e!