You are here: home > Vetso

Haingom-piainana - Fetrakens

Azo vakiana?

Raha vao maraina ny andro
miposaka ny masoandro
d'efa lasa ny fisainana
Aiza ilay haingom-piainana

          Vao mitady mantsy ity olona
          mitady izay ho tena namana
          iza ary no mahalala tanana?
          Mba hiaraka hanohy ny tolona

Ity fiainana hono mafy
Ka mila anao hiara-hiafy
Fa ilay hoe: "ianao" tsy hay hoe iza?
Haingom-piainana ankamantatra

              Fa dia lasa ny eritreritra
              Mandinika ity olona iray
              mipeninpenina very hevitra
              Mitady namana hatrizay!!

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Mysento (02/08/2009 13:47:20)

Fa dia lasa ny eritreritra
Mandinika ity olona iray
mimpenimpenina very hevitra
Mitady namana hatrizay!!

Crionlas (03/08/2009 14:15:32)

Sao dia eo ambany maso ian fa diniho tsara e!
Revorevon'tsy mis eo k ilaozan'ny omby miaak f ataov ar!

Hametraka hevitra

Midira aloha