ANY IANAOILAY FOKO (HARY MENJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY IANAOILAY FOKO

Hanoratra aho
Hanoratra ho an'iza
Asa!ho an'ny foko angamba
Eny ho azy indrindra
Izy izay miasa foana tsy mba mila baiko
satria mamelona ny aiko

Any ianaoilay foko
Tsara fono aoanatiko
mandrapahafatiko
Eny tiako izay hotiaviko
lalaiko izay lalaiko
satriamidoboka ianao hampisy indray ny aiko

Omeko tsiny ianao indraindray
satria mampiteniteny foana izato vavako
Nefa disoaho raha ianao no hotsiniana
hay moa mbola misy saina handanjalanja sy haminavina
izay atoko sy efaiko
mandrapahatapitra ny aiko

Ry foko izay ihany no soratako
izay ahanu no ambarako
Isika mantsy toerana iray
ka veloma vetivety
mandra-pifanoratra indray

HARY MENJA
--------
Rohy:
1121 2
Mpakafy: haraldtohaina - daniella
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HARY MENJA
Nampiditra : kristoff
Daty : 20/11/2007 06:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141