SERASERA (HARY MENJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SERASERA

Anarana an-drivony misoratra ato
mitady fifandraisana daholo
namana,olon-tiana,isan'andro isam-bolana tsy miato
Dia mahaliana e! tiako manontolo

"serasera"teny malagasy madiodio
mahalaza izay hetsiky ny olombelona
Misaotra e!tena mety amintsika ny ohatra an'io
raha te hitady torohevitra,hamahana olana mianjady sy manelingelina

Fa izao no mametraka baraingo mampanontany tena
firy amintsika no sahy mivaky tsotra milaza tena marina
raha atao ny isan-jato,roapolo,telopolo ekena!
fa ny ampahany tavela sao mba fihetsika tefena sy namboarina

Mpiserasera isika ,mitady hifanoratra ,hifankahalala
misy te handany andro misy tena vokatry ny fony
Ao indray ny zara raha mametraka anarana,ataony solony aza mahafanina mahalasa adala
Misy te hitsapatsapa,raha sitrany alainy ,raha tsy tiany dia soloiny

Miala tsiny re ry namana , tsy hoe te hanakiana
Fa mba milaza ny ao am-po , taitran-javatra jerena
Ianareo izao efa elabe no tato,f'izaho zay vao oviana
no ndeha hitsikera hieniteny foana hasorena

Ny irariako izao hatreto
Dia ianareo hilaza mombamomba an'ito tsy hihambatra
Aboray izay ao am-po, sorato amin'ny "handefa hafatra " amin'ny aterina eto
Zaho liana , hahatsiaro tena misy ,sady sambatra

HARY MENJA
--------
Rohy:
1111 0
Hevitra mandeha
daniella ( 13/12/2007 08:11)
TENA MARINA NY VOALAZANAO AN! 10% NO MAILAZA NY TENA MARINA DE MAZOTOA MANORATRA!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HARY MENJA
Nampiditra : kristoff
Daty : 20/11/2007 04:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1479