RAHA IANAO... (HARY MENJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA IANAO...

Raha tohina ny aty marary koa ny afero
Raha ianao no mitaraina
izaho koa mba miady saina
raha ianao no miramirana
izaho no lavita havinirana

Raha tohina ny aty marary koa ny afero
Raha inao no very jery
izaho mahatsiaro manirery
Raha ianao no dibo-kafaliana
izaho no te handihy revo ka sondriana

Raha ianao no tsara bika ,izaho no kevoka voalohany
Rha ianao mahatsiaro sambatra
izaho koa mba manam-be mitambatra
Raha ianao notsy miteniteny
izaho no maika te hahafantatra an'
ireny

Raha iaanao migoka mamy , izaho no ampoka tantely
Raha ianao no lasa lavitra any
izaho no mitoloko mitomany
Raha ianao no tsy tafandry
izaho mba sasa-miandry

Raha ianao no manimanina,izaho no mievina voalohany
Raha ianao no sendra tsy eo
izaho no lany andro mitoreo
Raha ianao no voninkazo
izaho no hanolokolo tsy halazo

HARY MENJA
--------
Rohy:
1094 0
Hevitra mandeha
daniella ( 07/01/2008 11:40)
zany a! ary mba tena marina v zany sa nofy2 sy vetso2 fotsiny e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HARY MENJA
Nampiditra : kristoff
Daty : 20/11/2007 07:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152