INTY AHO TOMPO (HARY MENJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INTY AHO TOMPO

Isaorana ny tompo
fambola notahiany
ka nitombo iray ny taona nahavelomana
fa tsy lavo noho ny ady fitolomana

Ny andavanandrom-piainana
no nanoroany ny lalana mahitsy
tompo o afaho ny sedra samihafa
satria ianao no nitokiako fa tsy andriamani-kafa

Mila ho kivy aho aho teny an-tsahan'adim-piainana
efa vitako ny ninia nanadino
ny soa napetrakao teny an-joron-damba
zay tsy soloina vola na asiana sanda

fa mamimaim-poana ,rehefa mino
tsy mitsahatra mangata-bavaka
manao anao ambony lolohavina
fa tsy rehefa tojo mafy dia adino sady lavina

Mitsingerin-taona aho androany
mitombo ny fahavelomako
ka inty aho tompo
raiso f'efa vonona hanompo
mandrapahafatiko
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
1423 0
Hevitra mandeha
daniella ( 14/05/2008 04:21)
Slt!tena tsara zany vetsovetsonao zany an! hivavaka aho ho anao ahatanterahanaozany fanieianao zany DIA NY TOMPO NO HIARAKA @NAO HAMAKIVAKY NY FIAINANA! Daniella!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HARY MENJA
Nampiditra : kristoff
Daty : 09/04/2008 10:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143