You are here: home > Vetso

...ny tiko? - HASINIONY

Azo vakiana?

Fa ny tiko voankazo... tsy heloka ny tsiriritra,
afaka mioty ialahy raha toa tsy mora fanina
eny an-tendro izy mantsy ka manaitra ireo fatritra
paisogasiko iny letsy, ...ity nareo toa tendankanina!

Ny tenako aza anie zahao, eto am-potony no miandry
mankafia ny soamaravo sy ny tsiky adaladalany
rehefa masaky ny nahiny, ny fitia anie razandry
dia mihintsana tsy mianto ao am-pon'ilay malalany.
...
Lany andro eo ialahy
fa izany no tantarany!

Sokajy : manokana