AOKA (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOKA !

Aoka re mba tsy ho Ianao
Ilay endrika voavolavola ka zary fanaka ato anatiko
Mijoloka mamantonalina, mitodra nofy izay tsy tantiko !
Matahotra aho hitia anao !

Aoka koa tsy ho ny tenako
Ilay nandefasanao vinany
Na nandrendrika fijery tao anaty hatsarany
Zohy anie no mba fonenako

Aoka hataoko sanatria
Tsy hisy sombina fotoana na ampahana minitra
Hampivaingana ny nofy nifandonan'ny fontsika
Ka hampiondana fitia

Ary aoka tsy hisy akory
Arabe na lalan-kely hiaraha-milomay
Haharay roa ny ela: dia ny Tiana sy ny Tia amin'izay fotoana izay
Babonao ka dia fatory.
--------
Rohy:
1466 4
Hevitra mandeha
Malalason ( 04/07/2005 11:40)
slt! Hasiniony Mahafinaritra ny zava-bitanao fa izao miverena indray ao @ Faribolana Sandratra fa miandry ny sangan'asanao ny CGM ary koa ny mpaka fy
Malalason
hasiniony ( 26/12/2005 04:59)
Aza matahotra re Malalasona ah!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 02/07/2005 11:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151