Hasambarana - HASINIONY
Azo vakiana?
HASAMBARANA
Nitady ny hasambarana aho. Tsy taiza anefa ny hasambarana !
Fa tetsy anivon-tserasera izay migodana varavarana
Hay niandry ahy tao, ilay tovovavy iray tsotra
Vonona hifankatia sy hiarahako mizotra …
Nandeha ny tafa sy ny dinika, ny fotoana koa nisosa
Tsaroaka niha nahazo hery, ity tenako kanosa
Ny angolangolanao tsikaritro mila tsy ho voafehy
Ampangain’ny endrikao, feno tsiky feno hehy …
Na ny maka sary antsaina eny, ny maka anao nofy aza
Dia hasambarana ho ahy, saingy ventso tsy azo alazalaza
Ny mibanjina ny ho avy mila hahalasa adala ?
Mirakitra tsiambaratelo, sento tsisy mahalala …
Indro tojo ny hasambarana aho, sy ny taram-pahazavana
Saingy hanao ahoana re, ny ho fizotry ny tantara
Vavaka no andeha atao handavorary sy hamita …
Fa raha ny antsika mantsy : « Tenona tsy mbola vita »
Hevitra mandeha
Iarantsoa (24/08/2004 18:44:31)
Mazotoa hatrany eh! drandrao tsara fa hainao tokoa ny manantotosa ny ilay talenta nomen'Andriamanitra anao de miezaha fona @tsaratsara kokoa
vetsoko (07/12/2004 17:24:07)
mahakasika ahy ilay tononkalo,
kanto
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasinionyDaty : 07/08/2004
Mpamangy : 1908
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
...?LALA AH! ETSY ANGE HO TANTARAIKO ZAVATRA...
Tsy tsiny hono...!
ny fitiavana ?
Fo vahy
Harodako
ny lasa...
Tenin'ny hafa
Tolona
Poety