Tsy tsiny hono...! - HASINIONY
Azo vakiana?
Miboika hiakam-paharatrana... 'zato feo tsy re tanatiko
Hay! rava iny volana iny, taorian'ny famololony
Ny akoakon'ny tomaniny, novonoiko fa tsy matiko
lalina "ra-tsy anjara" dify ny fitia natolony.
...sinaingy:
Dobok'onja misamboara, misangy ary koa misintona
ny fo dia torak'iny koa, manatona fa mbola hirintona
izany monja sy izany, ilay fitia mpanelontselona
sahan'ady mankadiry, mpamabo an-draolombelona.
Biby fiompy ny fitia, toy ny saka sy ny alika
'zay tinaizan'olo-maro, mba ho namany sy heriny
Kanefa biby mora romotra, poizinina hasiaka
Tsy tsiny hono, mantsy maty, izay nofo tsy kekeriny!
Mombamomba
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasinionyDaty : 12/08/2013
Mpamangy : 1846
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
...?LALA AH! ETSY ANGE HO TANTARAIKO ZAVATRA...
ny fitiavana ?
Fo vahy
Harodako
ny lasa...
Tenin'ny hafa
Tolona
Poety
RY FIRENEKO