Krisimasy (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBATRA IANAO

Raha andro nahaterahan'ny mpamonjy ary anio
Nahoana no mahantra izao tontolo izao?
Solika ahoana, raha ny fony tsy madio,
Raha foy ny atody nefa maingoka no tao?
Androm-pamonjena, sa vazo indray miserana?

Sa androm-piandohan'ny fo sambatry ny hoavy?
Dia oroka amin'ny fo; fa ampitso dia manerana
izao tontolo izao ny horakorak'ady
Tsikin'ny fo sambatra, sa tsiky "zary aza",
sa tsiky fitaka mihatsaravelatsihy?
Fa tsiky izay natolotra valiantsikin-jaza
Ka efa voka-tsoa, ahafahana mandihy.

Andro ahaterahan'ny mpamponjinao anio
Ka aza mitanondrika ry IZAO TONTOLO IZAO
Ilay tena Fitiavana ampiantranoy am-po madio
ka aza avela intsony: dia sambatra ianao!
--------
Rohy:
1642 2
Mpakafy: Arimalala - hasiniony
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 24/12/2004 17:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146