You are here: home > Vetso

LOKON'NY FITIA - HASINIONY

Azo vakiana?

             LOKON'NY FITIA

Anihoany misy fo
Maroloko ny fitiavany
Ifandrombahana tokoa
Ny hitohoka ny vavany!

Misy kosa tsy izay
Tokam-po ohatry ny siny
Fa mbola misy maka indray
Ilay hany tokana mba tiany!

Ny ahy kosa hatramin'izao
Tsy mba irony manodoka
Fa natokako ho anao...
Vita voady, vita loka!

Sokajy : Fitiavana