Fiononana (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azonao atao ny minia tsy mahalala
Na doria na ho minitra?
Ireo nofinofy adala
Nifandonan'ny fo-tsika!
Niantsoanao ahy hoe "Malala"
Hay angano honohono
Azo avadika ho hala...

Azonao azera ny rindrimben'ny fitiavako
Ivimbino latsalatsa tsy misy hoe nahoana?
Dia tsangano saina fotsy izay rehetra sahan'adiko
Mba ahafahako misaona!

Azonao atao ny mandoro diam-penina
Dia soloy ireo hirantsika,
Sy ireo tsiambaratelo itolomanao afenina
Nandalorako ny foko, ...heverinao fa tsy voadika!

...hiezaka aho hanadino ny disadisa toy itony
Mba hisaina izay ho anjarako!
MandrobonĂ , mandrobonĂ  ry aviavy tsy namony
Hialofan'ny tantarako.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1377 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
RAILOVY ( 10/10/2006 12:25)
tsy misy ambara afa tsy ny fankasitrahana akia hasiniony a, tena tiko be ny aingam-panahinao. tohizo foana. RAILOVY
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 31/12/2004 17:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163