You are here: home > Vetso

MBOLA MANANTENA ANAO - HASINIONY

Azo vakiana?

Fa iny SARY iny, voatomboka havatsa
Hatrany dia talaky, tsy manana sahala
Sinaingy tsiaro monja, fiheriky ny lasa
No niraketana azy, fa nofy mamarara
   "SARY tsotr'zao..."

Mantsy SARINAO, miangola ireo tadidy
Tiako ho kapaina, kanefa felan-TSIAHY
Holatry ny fo, sy ratra saro-bidy
SARY nivahiny, nambabo ny fanahy
   "SARY tsotr'zao..."

SARY...! ho ahy irery, moana sy marenina
Mipaingotra ao am-po, vita lasiray
Anganotsika omaly, niotrika an-davenona
TSIAROANAO tsy maty, r'ilay olona iray
   "...ka vimbiniko INY..."

fa SARINAO mitrotro ny fitiavantsika!
...SARY mitahiry, fitiavana efa ritra!
koa raha sitrakao, aoka homeko aina
'lay SARY vasobasoka, manandevo saina
Ary aza soketaina, hoe retin-dokon'avana
Fa vokatry ny fo, tolokon'ny fitiavana.

...MBOLA MANANTENA ANAO (Any an'eritreritra any)

Hevitra mandeha

kiriah (05/10/2012 09:19:23)

...SARY ho anao irery, SARY tsy miteny ,
Mihantona eny ho eny,
Anaty TSIARONAO, hitoetra anatinao
SARY hanatsiahy , ilay olona iray
ilay olona iray , ilay olona iray....

SARY ADALADALA , saingy SARIKO INY ka vimbino AN-TSIARONAO

SARY iray manjavozavo........... ( Any an ' eritreritra any)