You are here: home > Vetso

NAMAKO ? - HASINIONY

Azo vakiana?

                    NAMAKO ?

Lavo indray ianao kanefa mahereza, mitonia
Fa tsy avelako ho irery, tsy sitrako hangasihasy
Izy mantsy no nandao sy nandrava ilay fitia
Fa ny finamanantsika tsy azon-doto, tsy voa-tasy

Raha azoko natao ny nampindrana ny foko
Dia nomeko tsotra izao mba hitiavany anao
Hahaizany ho tena tia fa tsy sanatria toloko
Ary ho fahasambaranao fa tsy hampahory toy izao

Sambatra izy raha ny marina, saingy indrisy fa tsy tsampany
Ilay tsampako aminao ary mahasaropiaro
Ka ezahiko arenina mba tsy hiongotra ifakany
Ny fitiavanao naronjony, ...tsy avelako himalo !

Raha mbola tanako ny tanako ...?
Tsy foiko ho rendrika ny namako.

Sokajy : Alahelo