Nitia (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NITIA

Eny! Izaho ilay nitia, nifidy azy tamin'ny maro
Nankafia tsy te-hiala nanahy hanam-pahavalo
Ka ny miafina rehetra no naborako toky
Teny mamy tsisy fetra, nampalesina handrotsy

Eny! Izaho ilay nitia, mazana no nahazo latsa
Tsy mba afaka namaly, na dia voahitsaky ny hafa
Ratram-po tsy hay tohaina no mitambolina ato anatiko
Miantsoantso mitaraina: "Aiza ianao ry valifatiko"?

Eny! Izaho ilay nitia, tsy hamela ny hadisoany
Rovi-bitrana ny fiainako, tsisy ho antenaina intsony
Ilay fitiavako madio dia nipirina, namitsaka
Ry tarana-Menarana, mahatantesa valin-kitsaka!

Eny! Izaho ilay nitia, vaky fery maimbo ratra
Tsy hahay hiantra intsony, fa hamaly ny fingaka
Moa mendrika ahy ve, ny hifofo ilay NOTIAVIKO?
...aelo ny todin'ny fitia, no hijapy anao rahavako!
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1545 2
Mpakafy: Fenohery - hasiniony
Hevitra mandeha
nikopol ( 06/07/2005 11:34)
tiko d nomeko isa 5
papozy ( 07/07/2005 10:28)
ysara ka milay
Fenohery ( 09/07/2005 10:51)
Noho ianao Poeta dia misy Foana ny hetaheta? Aleo resim-pahafatesana toa izay resim-pitia!
yonikafopl ( 10/07/2005 19:54)
oopss tena mamay be le izy ann
nyeja ( 11/07/2005 06:22)
ilay tononkaloko " ry sakaiza tsara" no setriny ry hasinony a ...
tsara aloha ny tononkalo e
Ny Eja
Kotity ( 19/09/2005 11:57)
tsara ka!!
Iony ( 11/01/2006 14:22)
hay ianao tena manan-talenta toy izany?Te-hamantatra tsara anao @alalan'ny asa soratrao aho mantsy satria voavakiko ny fankaherezana nomenao ahy.Dia tohizo fa hanananao ny aingam-panahy.
hasiniony ( 21/01/2006 07:57)
Misaotra Iony ah, torak'izany koa ianao. Sambatra enao afaka mamantatra olona iray amin'ny zavatra ataony ... fa izaho kosa "Afaka ataoko ny mankafia asa soratra iray, fa tsy azoko atao ny mitsara na mamaly izany raha tsy fanatro ny olona nanoratra Azy".

Mahereza eh!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 06/07/2005 09:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147