Ry alina (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry alina รด, ry alina
meteza ianao mba hitsetra, 'zato sentoko mahantra
vangio ny foko valalanina, toneo fa trotraka maratra
leon'ny sangodimpanina

Ka misentosento hatrany
ary injao mipololotra, 'zato vetso tonom-bavako
izay mamakivaky ny haizina, fa onena anao rahavako
oriory sy tomany

...

Ka ny elatry ny nofy, mirio handramby tonga lafatra
Ny saiko re mba itodiho, meteza ianao hitondra hafatra
Fa mitoreo ilay Domohina! eny an-dala-moron'ala
Ny hany mba mangoraka azy, patra-kalo mamanala

Izato bitsikao ry aiko, toa indrisy tapa-toko
Ka ny gina sy ny haolo, no manenika ny foko
Nefa injany any ho any, misy hiaka tsy voazavako
Tsy sasatra mitady anao, ny didohan'ny fitiavako

Nefa indrisy mantsy ry alina, zary aloka niserana
Ireo 'zay nisinay omaly, kanto loatra fanaperana
Injao mandindondinona any, faralatsan'ny ankaso
Izao no ora mamy indrindra, hilazako hoe: ANDRASO...

mba hereho ny hazakazako!
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - Fitiavana
1846 1
Mpakafy: hasiniony
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 10/10/2012 19:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152