Valinkafatra (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valin-kafatra ho an'ny MIARANTSOA, hoy ny ventsony ho:
"Miandry anao, ... ny alikako"

Azonao atao ny minia tsy mahalala
Na doria na ho minitra?
Ilay nofinofy adala
Nifandonan'ny fo-tsika!
Niantsoanao ahy hoe "Malala"
Hay angano honohono
Azo avadika ho hala

Azonao azera ny rindrimben'ny fitiavako
Ivimbino latsalatsa tsy misy hoe nahoana?
Dia tsangano saina fotsy izay rehetra sahan'adiko
Mba ahafahako misaona!
"Fa ny jamba sy marenina nanidy lalina ny fony
Dia iza indray no hitantana azy! ...
amin'ny lalana noferany tsy halehako intsony?"

Azonao atao ny mandoro diam-penina
Dia soloy ireo hirantsika?
Sy ireo tsiambaratelo izay tsy azonao afenina
Izay efa masaka ato anatiko, saingy mbola tsy voadika!
Fa hiezaka aho hanadino ny disadisa toy itony
Mba hisaina izay ho anjarako
Saingy mbola ahiako mafy: IANAO sy ireo Alika ny hiverina amin'ny loany?
--------
Rohy:
1296 2
Hevitra mandeha
Miarantsoa ( 03/01/2005 08:52)
"Azonao atao ny minia tsy mahalala
Na doria na ho minitra..."
Hmmm... Sarotrarotra ihany izany ry Hasiniony an !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 31/12/2004 17:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01