Fa satria ve? - Hatenaina
Azo vakiana?
Fa satria ve tsisy aleha?
Dia araraotina e?
Fa satria ve tsy miteny?
Dia heverina ombieny?
Ho tsihy azo hitsahina?
Sy tany hivalamparana?
Fa satria ve aho mangina?
Dia atao fanahy iniana?
Hitsahana an-tampon-doha?
Amin'izay marary fo?
Fa satria ve tsisy mpiaro?
Dia natao ho favalo?
Fa satria ve tsy misy Dada?
Dia iny ianao tsy nihambahamba?
Nandona sy mandaka
Ary koa manjakazaka?
Nefa tsy fantatrao mihitsy
Fa mbola tsisy mihitsy
Ondry botry very
Ka tsy hitan'ny anjely!
Sokajy :
Alahelo
Mombamomba
Mpanoratra : Hatenaina

Nampiditra : Hatenaina
Daty : 01/11/2018
Mpamangy : 870
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
RATOVOVAVYSambatra
Fahasambarako
I Jehovah
Mangata-dalana
Fasam-poana
Ventsoventso
Iza moa ianao?
Raha mbola misy
Jehovah รด!