You are here: home > Vetso

Ry fanadinoana! - Hatenaina

Azo vakiana?

Aiza izato ianao re Rafanadinoana
Izay tena katsahiko fatratra loatra
Fa andrasan-ko faty vao mainka tsaroana
Mahatonga ny tena hijaly sy hitroatra

Ry Fanadinoana niampita any ho any
Nitondra any ho any ny zava-boakasa
Ry Fanadinoana tambazana hatrany
Tsy mety manafina ny androko lasa

Ry Fanadinoana ô!mba aza mandositra
F'ianao anie ka tena katsahiko fatratra
Ny foko mihitsy no efa mila ho potitra
F'ianao tsy mamela ahy hahazo ny lafatra

Malakilakia re Rafanadinoana
Tongava malaky mba hiara-hitampify
Fa ny lasako omaly efa tsy azoko antsoina
F'ianao irery sisa no hitondra tsiky!

Sokajy : alahelo

Mombamomba

Mpanoratra : Hatenaina


Nampiditra : Hatenaina
Daty : 05/11/2018
Mpamangy : 491
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

RATOVOVAVY
Sambatra
Fahasambarako
I Jehovah
Mangata-dalana
Fasam-poana
Ventsoventso
Iza moa ianao?
Raha mbola misy
Jehovah ô!