FAHENDRENA (havotraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHENDRENA ?
io no harena sarobidy.
Tsy vola aman-karena,
fa raki-tsarobidy.


NY FAHENDRENA ?
Ao ny fifankatiavana.
Halavirana ny disadisa,
Ny rahoraho sy ny sisa.


NY FAHENDRENA ?
Ao ny fifanajana.
Hajaina ny tena,
Hajaina ny hafa.


NY FAHENDRENA ?
Ao ny herim-po.
Saina sy Tanjaka,
Fanahy ihany koa.


NY FAHENDRENA ?
Ao ny fahamarinana.
Ho marina amin'ny teny,
Ho marina amin'ny asa.


NY FAHENDRENA?
Ao ny fahaizana.
Hampandroso firenena,
Tanjona hahaleotena.
--------
Rohy:
362 1
Mpakafy: havotraniaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144