Ho avy...... (havotraniaina)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo mpaminany,
Niteny faminaniana,
Ho avy ny Mesia,
Hitondra fahazavana.

Ny olona nitady,
Nitady famonjena,
Aiza ny Mesia?
Lazain'ny mpaminany.

Io no tantara,
Tantaram-pamonjena,
Ho tonga ny Mpamonjy,
Hitondra famonjena.

Nisokatra ny lanitra,
Izy avy ao an-danitra,
Tonga zazakely,
Natrehan'ny Anjely.

Izy no Mpanjaka,
Feno fahefana,
Izy no Mpamonjy,
Hamonjy ny mpanota.

Ny olona nahita,
Nahita fahagagana,
Ny olona voavonjy,
Nahazo famelana.

Tonga ny fotoana,
Atolotra ny Mesia,
Mesia no hisolo,
Hisolo ny mania.

Nokapohina, noratraina,
Nilanja fijaliana,
Natolotra ho vonoina,
Teo amin'ny hazo fijaliana.

Maty ka nalevina,
Nandalo fiainan-tsy hita,
Nitsangana tamin'ny maty,
Niakatra ho any an-danitra.

Nihorohoro ny tany,
Nangovitra aok'izany,
Izy no Mpanjaka,
Mendrika ny Haja.

Nomeny ny Fanahy,
Fanahy Mpanazava,
Hampiaiky fahotana,
Hamerina ao ambala.

Akaiky ny fotoana,
Fotoam-pitsarana,
Ho avy IZY hitsara,
Hitsara any am-para.



Mpanoratra: LALAHARISON Havotra Niaina
--------
Rohy:
411 1
Mpakafy: havotraniaina
Hevitra mandeha
havotraniaina ( 20/04/2023 08:18)
Fankasitrahana feno no atolotra anareo tompoko, mankasitraka an'i ikalamako niantsa. Mirary soa ny (vetso.serasera.org/tononkalo)
ikalamako ( 27/04/2023 20:10)
Tam-pifaliana foana r'ise a.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : havotraniaina
Nampiditra : havotraniaina
Daty : 06/04/2023 06:13
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144