Loza (havotraniaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LOZARy olombelona eto an-tany,
Mihainoa, mahirata,
Mihasimba ny tany,
Miharatsy hatrany.
Jereo ny zavaboahary,
Mitoloko mitomany,
Henoy ny antsoantsony,
Mitaraina mihalany.
Na ho ela na ho haingana,
Ho simba ny tontolo,
Ho loza ny hanjo,
Ny tany manontolo.
Isika olombelona,
Natao mba hanjaka,
Indrisy! Namoehatra,
Nihevitra ho mpanjaka.
--------
Rohy:
Sokajy :
Marsa 2024 - Aingam-panahy
Mpakafy:
SANAKERIB - havotraniaina
