Misy teny tiako hambara_ 2 (havotraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy teny tiako hambara, momba ny tantara,
Ny tantara-pirenena, moa misy fahendrena?
Moa akaiky Mpamonjy? Tsy lavitra Mpanjaka?

Raha ny tantaram-pinoana, dia nino ny Malagasy,
Fa Andriamanitra Mpahary, nantsoiny hoe: Zanahary,
Nandroso ny fotoana, hay tsy diso anjara,
Tonga zanak'Andriamanitra i Madagasikara.

Tsy ho voafafa ny tantara, eto isika ankehitriny,
Andriamanitra sarom-piaro, fa Masina ny anarany,
Koa raha nisy fahotana, hifonana izao,
Ndrao ho tonga ny famaizana, fahoriana izany.

Ry Firenena Malagasy, aoka ho fantatrao,
Fa raha ny olona nantsoiny amin'ny anarany,
No ho avy hanetry tena, hitady ny tavany,
Dia hiaino Andriamanitra any an-danitra,
Ka hamela ny heloka sy hanasitrana ny tany.

Mila olona Andriamanitra, hanefa ny adidy,
Olona marina sitrak' Andriamanitra,
Voavela heloka, vita fihavanana,
Olona mihavana amin'ny olona rehetra.


Mpanoratra : LALAHARISON Havotra niaina.
--------
Rohy:
240 1
Mpakafy: havotraniaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : havotraniaina
Nampiditra : havotraniaina
Daty : 15/11/2023 19:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145