Adalan'ny Fitia (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny izay nomeko ilay hoe tena tia,Teny notefen'ito fo adalan'ny fitia,
Tsy lainga velively ka hoentina hambambona,
Fa teny avy any am- po nivoaka moramora...
Tsy hatao tsianjery ka hadika an-taratasy,
Tsy sarisarin- teny na sanatria hoe valamaty,
Fa fihetseham-po raha sendra masonao,
Feo niantsoantso avy ao anatiko ao.
Dia tia aho, ary adalan'ny fitia,
Adalan'ny fitia fa tena tia an- dry..
Tsy hampanantena, na volamena na harena,
Fa fitia mandrakizay no azoko homena.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana