Aleo hifarana (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo hifarana ho foana ary havalony any re ny lasaHoadinoina koa ‘rony taona sy ireo nofy tsy kinasa
Aleo hifarana tsy hisy, tsy hisy intsony kilalao
Ny fotoana koa indrisy fa hofoany dien’izao
Aleo hifarana raha izany ary haleoko mionona mangina
Raha toa hifankahita ihany nefa hizaka fijaliana
Aleo hifarana hialako tsiny raha toa ka manaitra anao
Tsy hadisoako angamba iny saingy tsy mba tsapanao
Aleo hifarana ratreo raha mpinamana no sahaza
Fa zary mankaleo raha atao fitiavan-jaza
Aleo hifarana amin’izay koa veloma ianao f’izaho hisaona
Ary veloma mandrakizay fa tsy veloma mandram-pihaona;
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana