Anio ny Mariaziko (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anio ny mariaziko, ilay andro sarobidy
Ilay fotoana hodiaviko izay hanehoako ilay safidy
Anio aho hanao veloma ireo sipa sipa fahizay
Ireo revirevy sy hakamona ary ireo adalana sy kakay

Anio ireo mpitazana dia hotolagaga sy hotalanjona
ireo bandy rehetra hihidy vazana ary ireo sipa sipa hianjonanjona
Anio ireo tambitamby izay nomena toa hivadika ho lalàna
Zary toa mamato-tena toa hihatri-pitsaràna

Anio ilay fitia miredareda zary fery maharary
Zary tady iray mangeja toa tevam-be miharihary
Anio aho vao higadra higadra aho an-tsitrapo
Eny na tsy meloka aza ary manaiky tsy ho mafiloha

Anio no hatao an-tsoratra ilay fitia nifanekena
Dia ilay fo zay nifangoraka, ka nitia tsy noterena
Anio aho no hanorina ilay tokatrano faniriana
Ka hoentiko any am-piangonana hangatahim-pitahiana

Anio ny foko no hiteny ary hamboraka sy handray
Ireo toky sy ny eny eo hanatrehan’Izy Ray
Anio aho hanao voady, voady hanova ‘zany fiainako
Dia ny hanekeko azy ho vady mandritra ny andro rehetra hiainako

Anio aho vao hangina hizara sy hihafiafy
Ka hitia fa olon-tiana ary hanaja tsy hampirafy
Anio aho hahazo namana, hifampizarako hafaliana
Hifampizarako hasambarana, hifampizarako fahoriana

Anio aho dia ho Ray, Ray hanoro sy hanitsy
Ireo izay mety ho zanakay na ho maro na ho vitsy
Anio ilay vady mariaziko no hameno ny hafaliako
Hanamaivana ireo saziko ary hanitsy ‘zany diako

Anio ny hasambarako holavorary sy tomombana
Ka ho paradisa izany fiainako isan’andro toa lanonana
Anio ianareo mpanatrimaso hahita anay roa miserana
Dia tsy ilay tokatranomaso fa ilay Akaniko fonenana
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
88 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Herilanja RANDRIAMANGA
Nampiditra : Hianja
Daty : 30/01/2025 15:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0158