Ankavia sy Ankavanana (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny masoko nijery, nitopy taminaoDia nahita hery sy fanirina vaovao,
Ny masonao niharitra nandinika ny masoko
Dia indro nahatsikaritra, ka nanoana ny antsoko
Dia nitafatafa sy nifampotoana
Ora vitsy avy eo, dia nifarana ny taona
Tany am-piangonanan’i Jesoa Kristy
No nandeha nilanonana ny Mpifankatia.
Dia tonga tany isika ary nanomboka ny fety,
Izay nataoko rehetra dia lasa metimety.
Ary nifampitanana sy nifanaiky ny hiara-dia
Ny anao tanana ankavanana, ny ahy kosa ankavia
Dia tany aminao daholo ny maso no nijery
Izany hatsaranao tsy nisy tasy na dia kely.
Dia falifaly aho sady nirehareha
Mitantana ilay sipa no sady mandendeha.
Dia indro ianao nandihy, sy nanao lamako
Ny feonao mihira no henoko manako
Ary izaho indray revo mankafy
Ianao moa teo ankavanana ary izaho teo ankavia
Dia nisasaka ny alina ary nifampiarahaba.
Tratry ny taona no feo nitabataba.
Ary nifampijery sy nifanoroka tsy nahy,
Samy feno ny fo ka tsy nisy ahiahy.
Dia nitohy ny fety, eny mandra-maraina,
Nifampizarana hatramin’ilay dipaina.
Ka nifamahana ilay sakafo iray lovia,
Ny ahy tanana an-kavanana, ny anao an-kavia.
Nony kelikely enao somary reraka,
Nandeha nijery toerana fa te hipetrapetraka,
Ilay anilanao aho no tena mankafy,
Natomboka avy teo ilay dinan’ny fitia.
Ny andro aveo naraina, ny fotoana nanam-petra,
Nomanina daholo ny fihaonana rehetra;
Ary nody isika ka tojo ilay sampanana,
Ianao miankavia, izaho kosa miankavanana.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana