Ataoko hoe Raozy (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataoko hoe “RAOZY”Satria mamiratra eto imasoko
Sy manintra eto an’oroko,
Mamelana maraina,
Mitondra herin-tsaina.
Dia raozy,
Ilay porofon’ny hatsarana
Ilay tena mahatamana,
Voninkazo iray nalaina,
Tao anaty zaridaina.
Eny raozy,
ilay nitondra hery hoahy,
Handreseko ireo ahiahy
Ka nampitsiry ny fitiavako,
Fa tiako ny malalako.
Raozy,
Ilay tsy haritro,
Ilay mandravaka ny sariko,
ka na bika na toetra,
dia fitia tsy manam-petra.
Eny raozy,
Mitory fahendrena,
Mahatsara fitondratena,
koa lazaiko tsy misy vazivazy,
Fa mitombo ny fitiavako azy.
Dia raozy,
Mahasarika,
Manala ireo adin-tsaika tsy hita isa,
Ary maneho fanantenana,
Mientanentana tsy tana.
Raozy,
Tsy hohadinoiko,
Fa tsy maintsy hofofoiko,
Ka mbola hoavy ny fotoana,
Hisehoako manoloana.
Dia raozy
manaingo ireto tanako,
Manambara ny fiadanako,
Ka hodinan’ny fitia,
Ny hiara-dia hodoria.
Raozy,
Mbola haveriko,
Fa mahatsara ny fijeriko,
voninkazo tena mamiko,
Horavakiny tokatranoko.
Raozy,
Ilay mitory ny fitia,
Ilay tsy hisaraka satria,
Efa mamy ny iray,
Hodoria mandrakizay.
Eny raozy,
Ilay kalokalo takariva,
Ilay masoandro efa hadiva,
ka mbola angoty sy fitia,
Ny fiarahana ety.
Raozy
Ilay tsy afaka ato am-bava,
Ilay tsy aiko manazava,
Fa safidy tsy miova,
Ilay torimaso anaty rova.
Eny raozy,
Ilay sentosento sasak’alina,
Ilay nofinofy tena lalina,
Ilay torimaso tena miavaka,
Miara-manidina eny an’abaka.
Fa mbola hoavy ny maraina
hanavao ny herin-tsaina,
dia ireo fotoana rehetra hiarahana,
No hofenoina hasambarana.
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana