Ataoko tsara fehy (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataoko tsara fehy, atoko tsara tahiryIlay vao nomeny ahy, ilay vao mitsiry
Mba hiroborobo sy hamelana ho tsara
Ary aharitra sy hateza tsy hisy fiafara.
Ireo teny izay nomeny dia haraikitra ato an-doha
Hotsaroina vetivety indrindra raha mifoha,
Atao ho tonokalo, tonokalo ho tsianjery,
Raha hoadinoina mankarary, satria hamela fery.
Ny voady nifanaovana, ireo teny mamy sns,
Ilay nofy niharahana ilay tany am-paradisa
No indro hamafisina, hamafisina ato am-po
Mba ho fitia miredareda, vokatry ny fo
Ireo fotoana niharahana, ny andro sy ny alina.
Ireo toerana naleha, sy izay mbola hofantarina,
No raisina an-tsoratra, raisina fa tsara,
Adika an-taratasy, mba ho raikitra tantara.
Ireo sangisangy izay fanao, ilay tsongotsongon’olon-tiana,
Ireo adiady nankalao, zary fitoamaniana,
No avalona ato an-tsaina, fa tsiaro hoan’ny lasa,
Ary mbola hantenaina, ireo nofy tsy kinasa.
Koa ataoko tsara fehy, ataoko tsara haja
Iay vao nomeny ahy, ilay fitia tsy manan-tsahala.
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana