Eny sy ety. (Herilanja RANDRIAMANGA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay masonao nitopy iray segondra monja
Dia teny am-balopy, misitery iray mafonja
Fijery iray tsikaritro izay miantso sy mitory
Fihetsika tsikaritro tsy mba niteny akory

Matetika mitranga ilay ianao mangata-maso
Manilika ireo sanga sy manakipikipy maso
Fantatro fa tia raha ireo fihetsikao
Miantso hoe avia mba hiaraka hilalao

Ety aho dia talanjona sady te-hiteny
Ary te-hanantona saingy tsy afaka makeny
Dia indro tafahoana ilay eny sy ety
Mifampijery foana toy ny mpifankatia

Dia mifampitazana sy mitsiky kely
Dia samy mihidy vazana toy ny manao fangalam-pihery
Dia toy izany foana ilay bitsiky ny fo
Toa resaky ny moana ilay tsiambarantelon-tsika roa
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
195 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113