Matoa (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoa ianao nantsoiko, navahiko tamin’ny maro
Dia tiako ato am-poko
Fitia tsy mifangaro
Matoa ianao nanohina
Dia noheveriko ho hisy koa
Fitia nokobonina
Mitoetra ao am-po
Matoa Izaho nisaina
Lay fitiavana hodoria
Dia didy ‘zay nomena
Ny hoe mifankatia
Matoa Ilay Nahary
Nandidy ahy sy ianao
Dia tiany hiharihary
Fa fitia tsy kilalao
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana