Ianao ilay ... (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ilay hafa loko, ilay hazavana nahajamba
Ilay nampidoboka ny foko ka nitia tsy nihambahamba
Ianao ilay sentosentoko, ilay sarisary ato an-tsaina
Ilay anarana fiantsoko iIlay nofinofy nokasaina

Ianao ilay satriko ho eto foana, raha vao mihiratra ny maso
Ilay hananako fotoana ka ilay tsy asiako andrasoandraso
Ianao ilay tiako hofihinina, ilay faniriako mba ho taratra
Ilay hafanako raha ririnina, lohataoko raha fahavaratra

Ianao ilay foko zary onja, henoko ao anatiko ao
Ilay fahafahako tany am-ponja, ilay maraina vaovao
Ianao ilay iriko mba ho namana, ilay hizarako hafaliana
Ilay hizarako hasambarana, ilay hizarako fahoriana

Ianao ilay tiako hotiavina, ilay mamiko holalaiko
Ilay hatsarana tsy haiko lavina, ilay hamoizako ny aiko
Ianao ilay tiako hitoerana, iIlay horoako matetika
Ilay tranobongo hofonenana, ilay masoandroko milentika
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
95 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Herilanja RANDRIAMANGA
Nampiditra : Hianja
Daty : 31/01/2025 07:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0151