Ilay tany hoany (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia hofaranako ny dia, fa ianao ry Malalako,
Niantsoantso hoe cherie no namihina ny tanako,
Hafaliana sy hasambarana, fa ilay tiako no eto indray,
Ka na ilay diako saika hifarana no vao hanomboka indray;

Dia iny aho fa namihina nanoroka sy nitantana,
Ka hizotra an-kasahina amin’ny tena fisandratana.
Ny lalan-tsika hono, toa mahitsy tsy misy farany,
Izay voarava-boninkazo samy hafa ny anaranay.

Dia ianao ilay Tia ahy dia izaho ilay Tia be,
Dia nifanoroka tsy nahy Ka samy nihomehy.
Ny masoandro mibalika, ny ranomasina manjopika,
Ilay tetezana hafa bika nandalo teo ny lalantsika.

Injay fa nisy feo, feom-borona misioka,
Izay miventy sy maneho, ilay feon-kira ny hirantsika.
Ka ilay feonao manako mihirahira sy mandihy,
No narahiko lamako, revirevy mankafy.

Dia indro nisy diary ilay isika roa no teo ivelany,
Zary nisy sarisary, eny hatreny an’elanelany.
Dia izaho manonina,dia ianao mandika,
Zary boky noforonina ilay tantara niainantsika.

Koa nasianao sonia dia nametrahako hajia,
Ary napetrako tamin’ny tany hovakian’izay makany.
--------
Rohy:
78 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Herilanja RANDRIAMANGA
Nampiditra : Hianja
Daty : 31/01/2025 08:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0954